Tsikim-pahoriana (Eddy Lejao)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-
Eny, marina fa hoe
Miha henjana ny fainana an-tany
Kanefa na dia izany anie
Aza kivy fa hoento mora ihany
Ekeko marina fa hoe
Tsy vahaolana ny handeha hamoy fo

Mitrakà, matanjaha fa ianao tsy very anjara
Raha mbola tany koa ny tany e
Aza kivy na malaina fa ianao tsy very maina
Mahereza fa aza tomany

Ref:
Voaozom-pijaliana ve ny fiainana an-tany
Mahatonga anay mijaly, miasa loha
Tsikim-pahoriana ve sa hikam-pifaliana
Rahoviana kay ny ratsy vao ho soa e

2-
Eny marina fa hoe
Ianao dia nizioga fijaliana
Ireo havana tram-pahoriana aza
Dia mbola manantena fifaliana
Zanahary ambony ao jereo
Izahay zanakao miantso hoe vonjeo e

Tsy hoe mamazivazy fa commence décourage
Mafy ny attaque mitoreo o
Ray an-danitra o fa tsy zakako intsony
Izay no mahatonga zaho manandram-peo
______ ______ ________ _______ __________ _____
©️Manda Ny Aina Gabriel ✍🏾
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Eddy Lejao
Hits : 9
Likes : 1 Like
Created by : Adnam
Date : 23/05/2026 18:18
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
Other titles
more...
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117