Tsy ho vitako ((DIERSCA) Mc caïm's & Diad)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mc Caim's:::::
Ataoko ahoana ny anadino na ilay hoe tsy hatsiaro anao
na dia kely sy bitika fa nanandanja t@ fiainako
ra sendra misy manjo dia ianao ny fitarainako
toa lasa zavatra hafa mihitsy lay rivotra hiainako
tsy aiko intsony hoe aiza marina no tokony hisy anahy
diso fihevitra aho naniry anao ho silapanahy
tsy manino hampiononiko lay fo mtempo ny hakiviana
sy miaina anaty ranomasompahoriana
fo feno heritreritra tsy mba nasahy niloaka
na tena tianao ary aho dia efa tara loatra
tsy mba natao anahy le vatanao ikasika am vatako
veloma mandrapihaona ny hanadino anao tsy ho vitako

Jey::::
tsy ho vitako ny hanadino anao mandrakizay
indrindra indradrindra fa ilay fitia hatramizay
ilay saika ho ambara
nefa kay tsy anjara
tsy ho vitako.....ny hanadino anaooooooooo....
yeh yeh yeh e e e eeeee

Diad::::
sarotra amiko ny hanadino ireo zava-bitatsika
tsikanao ny sangisangy sy ny zavatra hitatsika
tsy voafafa ato antsaiko fa mamela fatsiharovana
tantara reny saingy toa mitoera fa tsy ravina
tsy laviko toko fa saiko ho feheziko ho fitia
ho lapa fihalofany lay fo tsika sy ndria
andrihiakina ho vavolombelon'ny zay natao
saika mba hanorenako ny ho aviko vaovao
nefa ianao moa efa anazy ka aleoko mpiodana any
tsy sitrapoko fa tsy koi aleo hirodana any
mitsodrana angamba akia sisa no azoko atao an.!!!
ho manga hatrany2 anie ny lanitra hihalofanao an....
JEY:::
Tsy ho vitako ny hanadino anao mandrakizay
ndrindra indrindra fa ilay fitia hatramizay
ilay saika ho ambara
nefa kay tsy anjara
tsy ho vitako ny anadino anao an
tsy ho vitako ny anadino anaoooooo
yeh yeh yeh e eeeeee!!!!!

Mc Caim's:::
Sarotra ny hanadino kanefa aleo aloha hifisako o!!
enganie izy iny mba hanampy izay efa vitako o!!
ireo soa nifanaovana ny tsara tsy voatanisako o!!
ka na marary aza dia tsy maintsy hoe mahatanty e!
matoa nasiana ilay fitia dia tsy natao hafaty e!
tsy ho ahy mandrakizay ianao ka aleo atao hoe nofiratsy e!!
Diad::::
Tsy fantatro koa tsy aiko ny ao amponao t@ ireny
nefa ny ahy angamba fatatrao fa fitia manery
saingy izy iny tonga aloha ka dia tiavo sy hajao
ataovy fin ny antsika satria angamba tsy anjarako ianao
t@ ireny aloha tsy hafeniko fa tena tia tokoa za
love moa koa....nefa aleo manidy fo ka

Jey:::
Tsy ho vitako ny hanadino anao madrakizay
ndrindra indradra fa lay fitia hatramzay
ilay saika ho ambara
nefa kay tsy anjara
tsy ho vitako ny hanadino anao
tsy ho vitako ny hanadino anaoooooo
yeh yeh yeah e e eeeeeeee!!!!!!!!

A/C ::::: DIERS'CA (Mc Caim's X Diad X Jey
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : (DIERSCA) Mc caïm's & Diad
Vangy : 2825
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Mc caïm's El jafar
Daty : 12/05/2017 08:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716