Fandehany (Dadhy Velonkira (Velkira Asampinga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
FANDEHANY

1- Dia ahoana ry zandry e
Izaho anie tsy be sandry
Ka higafy dia misy milako
Hipitsihako no sady hialako

Ny tsipilavaka sy kapisily
No atao dia miaraka mody amin’ny dimy
F’indray andro any dia mbola hoavy ilay ora
Sipakely sy bandy dia ho lasa tanora

KIRIHITR’ALA INDRAY NO TADIAVINA O O!
FA EFA MAHALALA ILAY TSIROM-PITIAVANA PITIAVANA

2. Dia ahoana ry anona
No toa fanimpanina
Sa efa badenina ho’aho
No be be marenina

Nofaiko tanana toa tsy nahita
Nokopakopahako nasiako sioka
Amin’ity fandeha toa mibakabaka
Fa toa mampiomehy fa mila salaka

HAY MOA NDRY KA DRODROKY NY ALINA
EFA VOKY FITIA FA TSY MBA NIHINAN-KANINA

3-Dia ahoana ny fandehany mitehaka ve ny ponehany
Milamina ve ny tanànana ao daholo ary ve ireo akama
Dia ahoana leiretsy e
Inona ny mety?
Inona ary no reventsika?
Tsy aleo ve mi-pih sy mozika

Alefaso ny raoma sy tsaky masira
Reveo ny baona vazoy ary ny hira
Izay tsy mi-pyh misotro labiera
Dia Sotroy ny jus fa hifandom-bera

ARARAOTY NY HATANORANA O ! O !
ATAMBARO NY SAOSY FA TSY ATAO ADALÀNA

4-Dia ahoana ra-Baofy e!
Ity zipo kiloaty !
Tandremo f'ianao efa tonta
Ka tandritandremo ny ota
Dia ahoana ra-Bainina e!
Inona ity sainina
Sa variana mitsiriritra
ka mahatsiaro ny revy sy ditra

Isaory ilay Nahary Ray Andriamanitra
Mba tsy narary ary koa tratr’antitra
Aoka tsy hiodina fa ovay ny fanahy
Fa efa mandodona ilay rangolahy

MBA RAVORAVO HATANJAO NY FISAINANA E !
ANKINO AMIN’NY AVO NY AMBIN’ANDRO HIAINANA

Taona : 1997
Tonony sy feony :
Rado NOMENJANAHARY
(Dadhy Velkira)
OMDA : 04837
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Dadhy Velonkira (Velkira Asampinga)
Hits : 165
Likes : 0 Like
Created by : Asampinga
Date : 11/08/2025 09:15
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0228