Vetso-takariva (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Singan'olona toa very izany izaho
Ravinkazo tafasaraka aman-taho
Tapak'ahitr(a) entin-driaka ka indrisy
Izay mba toera-nitodiana tononkira.serasera.org toa tsy misy

   Zana-borona nanintsan'elatra aho
Raiki-tahotry haxksx ny orambe mitraho
Tsy mba zatra ny fanala an-keniheny
Ka maniry ny homban'ny ela-dreny

   Manantena sady miandry fatratra aho
Ka ny taratrao ry volana hapariaho
Dia vimbino izany alahelo izanyFa ianao no tazana eto tsinjo any

   Ombimanga diso ala mantsy aho
Manin-kavana tsy foy ka mitalaho
Any ambadika atsimon'iny bainga
Izay milaza tsy hisento re mandainga

   Singan'olona toa very izany izaho
Sady tolan(ny manjo ka hivavao
O ry Zoky,O ry Zandry hany fara
Irario mba ho tafita soamantsara

   O ry kintana ombay manatrika aho
Mila tsy ho very dia ka iresaho
Ianareo no solon-kava-mahatratra
Izarako izay mba zavatra mihatra

   Dia veloma sy masina euejtzc indrindra nyvkclor ho'aho
Ny fiarovan'ny Tsitoha no angatao
Izany sandriny mahery tsy hiala
Fa hivimbina ny dian'ny malala

Elisa Fredda

--------
Link:
Comments
seul110 ( 03/08/2015 08:45)
Tonokalin'i Elisa Fredda nokaloin'i Bodo !
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Bodo
Hits : 4501
Likes : 2 Like
Created by : seul110
Date : 03/08/2015 09:04
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0823