Mangahiahy (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa tena tsy andry intsony
Ny hiverenanao manoloana ahy
Mila tsy ho tanty intsony
Ny fahabanganao ato an-trano

Toa mangina ny tanàna
Ianao lasa tsy voatana
Ny tandindonao no sisa
Zava-marobe tsy voarindra

Izao moa tsy afa-manoatra
Nefa anie ny fo mafana loatra
Raha vao mifoha maraina
Tsy eo anilanao marary ny aina

Any lavitra any ianao
Izaho eto foana miandry
Tsy mba afaka miala
Fa ireo voady efa voatana

Mangahiahy, toa ankamatatra
Tsy mety ho fantatra, asa angaha
Mangahiahy, toa ankamatatra
Tsy mety ho fantatra, asa angaha

Efa mba zatra tsara
Teo aminao tanteraka aho e!
Iza indray moa izao
No hitantarako ny alahelo

Ireo vazivazy teo
Ny sedra rehetra izay miseho
Ireo andian-drahona, kotaba marobe
Niaraha-namafa.

Mangahiahy, toa ankamatatra
Tsy mety ho fantatra, asa angaha
Mangahiahy, toa ankamatatra
Tsy mety ho fantatra, asa angaha

Rahoviana no hiverina….
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Bodo
Hits : 5734
Likes : 1 Like
Created by : ikalamako
Date : 27/05/2015 05:47
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752