Tsy niova (Benja RALIBERA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsapako reko mangina
No lalina indrindra
Miha mahazo laka
Miha latsa-paka ny fitiavako anao.

Hatram'izay ka hatram'izao
Ny hiarahan-tsika sy ianao
Nifankalala toetra na ratsy na tsara,
Na koa fahalemena.

Resy lahatra aho ry tiana
F'ianao no mamiko indrindra
Ka n'iza n'iza tsy hasolo,
Na handrava izany, fa mandrakizay.

Ref:
*Fa na dia ny adiady kely indraindray
Sorena ny anakiray
Dia tsy niova, tsy niova e!
Ilay fitiavan-tsika hatrizay.

Fa na dia saro-piaro kely indraindray
Mifanditra aza indraindray
Voamaika koa toa tsy,
Hahafoizako anao. (X2)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Benja RALIBERA
Hits : 991
Likes : 0 Like
Created by : christophe17
Date : 30/09/2022 05:27
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4951