Tsy hanampetra ft. Mr Sayda (ATON'ICH x Mr SAYDA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Verse 1:
Aza mba manody hono ny fo tsy mahay mitia
Amiko fanafody aza ny fisinao tety
Nanasitrana,nitondra vintana
Namelona fihetseham-po,tsy hay faritana
Nisy masoandro namiratra hono ny tanàna
Lasa nahafinaritra toa mahatamana
Masonao mijery toa feno fahagagana
Lasanao ilay foko fa tsy tana

Chorus: (Mr Sayda)
Dia nataoko hirahira fa tsy haritro ô
Ny tsy hikitika ny tanako ny fiainanao e
Raha mba ianao iny no lasa vadiko
Dia feno antsika roa izao tontolo izao
Rahovina ihany vao ho tanteraka
'lay faniriako efa elabe
Fenoko vinany,fenoko mozika
Raha tena ho avy izany

Chorus: (Aton'ich)
Mba faniriako anie ry malala
Tsy hanampetra ny antsika roa fa ho mandramaty
Tsy ho ravan'ny taona,ho mafy orina
Eny ho lamban'akoho ka faty no hisarahana
Oh ry tsy foiko,ianao ilay tsy mahafoy ahy
Iriako ho lafatra ilay fitia na dia tsy tomombana
Izay no mba ventsom-poko ka mba nokaloiko ooh ooh
Satria malalako ianao

Bridge: (Mr Sayda)
Oh malala oh (x2),iaraha malala oh(x2)
Fa izaho tena tia, efa hainao satria
Raha tsy nisy fo mitempo aho tsy tonga taty
Oh malala oh (oh oh oh),iaraha malala oh (oh oh oh)
Fa izaho tena tia, efa hainao satria
Raha tsy nisy fo nitempo aho tsy tonga taty

Verse 2: (Aton'ich)
Mety ho sarotra,mety ho lava ,mety hanonja ny dia
Tsy ho lavitra fahavalo mety hisopatra akie
Fa ny tanjontsika iray ihany
Izay hisy anao de ho eo koa izaho
Koa andeha re ry aiko hiaraka hamakivaky
Hatsiaka sy oram-baratra,iaraha-miafy
Hifampitsinjo n'aiza n'aiza haleha
Ka hiara-sambatra eo akaikinao aho

Chorus: (Mr Sayda)
Dia nataoko hirahira fa tsy haritro
Ny tsy hikitika ny tanako ny fiainanao
Raha mba ianao iny no lasa vadiko
Dia feno antsika roa izao tontolo izao
Rahovina ihany vao ho tanteraka
Ilay faniriako efa elabe
Fenoko vinany,fenoko mozika
Raha tena ho avy izany

Chorus: (Aton'ich)
Mba faniriako anie ry malala
Tsy hanampetra ny antsika roa fa ho mandramaty
Tsy ho ravan'ny taona,ho mafy orina
Eny ho lamban'akoho ka faty no hisarahana
Oh ry tsy foiko,ianao ilay tsy mahafoy ahy
Iriako ho lafatra ilay fitia na dia tsy tomombana
Izay no mba ventsom-poko ka mba nokaloiko ooh ooh
Satria malalako ianao

(Instrumental)

Outro: (Mr Sayda)
Oh malala oh (*2),iaraha malala oh(*2)
Fa izaho tena tia, efa hainao satria
Raha tsy nisy fo mitempo aho tsy tonga taty
Oh malala oh (oh oh oh),iaraha malala oh (oh oh oh)
Fa izaho tena tia efa hainao satria
Raha tsy nisy fo mitempo aho tsy tonga taty
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : ATON'ICH x Mr SAYDA
Hits : 5494
Likes : 2 Like
Created by : tsitokelyko
Date : 27/10/2020 22:00
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731