TSY MENDRIKA (APC Tangaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
                         TSY MENDRIKA

1-Tsy mendrika ny handray Anao mazàna
   O ry Jesoa zoky be fitia
   Satria ty foko izay milona fahotana
   Mihoso-potaka maniasia
Kanefa endrey ny tananao
Mitsotra miantso am-pitsikiana ahy izao
Te honina sy hanavao
Ny handio ny anatiko ao no tena sitrakao

Réf: Mitsaoka ré, Misaotra Anao
        Fa henik'hasambarana aho idiranao
        Atolotro mba ho anao
        Ny momba ahy izao
        Tefeo aho ka anjakao

2-Ny vatanao ry Tomponay Malala
    Indro atolotrao mba ho anay
    Fa ny fitiavanao tsy manana sahala
    Maharitra tsy miova hatrizay
Ny ranao koa narotsakao
Ho fanekena fihavanana Aminao
Ny tenako ho lapanao
Mba tehirizo ny hamiratan'ny endrikao.



                            RALALARIMPENO Anna Marcel
                                          APC Tangaina
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : APC Tangaina
Hits : 739
Likes : 1 Like
Created by : Sissie2007
Date : 11/05/2020 22:17
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0793