Jesosy tia ahy (ANTSAFI Betsinjovina Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na dia maro aza ireo adim-piainana izay mety ankarary ahy,
Tsy ho atao mampanahy ireo olana izay mety handalo foana e!!!
Fa Jesosy tia ahy, manome an'ireo izay tadiaviko
Ka miaina ampifaliana aho,miaraka amin'Azy.

Iezaka aho ny hitraka sy iorina hatrany amin'ny fiainam-panahy
Ianatra sy anovo, anome lanja ny asa fanompoana e
Fa ny fiainana ety mivadibadika sy mety handratra avokoa
Ny lalantsara ho ahy, dia Ianao Jesosy.

Ref:
Mahery aho miazona Anao Jesoa, Ilay azo iantsampazako
Fototra ijoroako, Ilay tsy mandao ahy,
fa mampahery ihany koa, Na dia miafy aza aho,
dia faly sy miavaka, Satria Jesosy tia ahy.

Resy lahatra anie aho noho Ilay atsaranao indro isaorako anio
Izao fiainako izao dia efa antananao, feno fitahiana eeee
Ny anjara masoandroko tsy ho takona izany,fa Ianao Ilay Mpiahy
Mandalo fitsapana aho,fa tsy ho resy izany.

Ref:
Mahery aho miazona Anao Jesoa, Ilay azo iantsampazako
Fototra ijoroako, Ilay tsy mandao ahy,
fa mampahery ihany koa, Na dia miafy aza aho,
dia faly sy miavaka, Satria Jesosy tia ahy.(X2)

Feno fifaliana tokoa satria Tia ahy Jesosiko....
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : ANTSAFI Betsinjovina Fitiavana
Hits : 253
Likes : 0 Like
Created by : Mayeur
Date : 27/05/2025 18:55
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.018