Siran’ny Tany (Antsa an'ny Fahamarinana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesô nanome iraka mba hizara fitiavana.
Dia indro isika fa mirotsaka raha toa ny Fitiavany no manosika.
Ny Heriny mandrisika mba hanaparitahana
fitiavana sy fiadanana ary fanantenana ny amin’ny ho avy.

Isika no siran’ny tany !
Isika no siran’ny tany !
Mitondra tsirom-piainana, mizara haravoam-panahy.
Isika no siran’ny tany !

Ny fiainan’i Jesô lafatra dia tena fakan-tahaka :
Maneho ny fikasana hamita iraka izay nomeny ahy sy anao.
Mba ho famelan-keloka ho an’ny rehetra tsy manda,
mitarika ho amin’Ilay Mpanjaka sy ny fanompoana miavaka.

Isika no siran’ny tany !
Isika no siran’ny tany !
Mitondra tsirom-piainana, mizara haravoam-panahy.
Isika no siran’ny tany !

Isika no siran’ny tany !
Isika no siran’ny tany !
Mitondra tsirom-piainana, mizara haravoam-panahy.
Isika no siran’ny tany !
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antsa an'ny Fahamarinana
Hits : 179
Likes : 0 Like
Created by : varira
Date : 09/04/2025 15:26
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2091