FA IZY (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny rany no nalatsany
Ho antsika olony
Tsy nahoany ny fasany
Fa ny ainy no natolony
Ny olatra amin'ny tanana
No marika amantarana
Fa Izy dia nohomboina noho ianao

Aiza anefa ianao ry olona o lazao lazao
Inona no azo antenaina aminao
Moa ve ny tenanao efa Azy izao
Fotoana izao ka miova ho vao

Resy, resiny ny fahafatesana ry olona
Vita, vita izao ny famonjena anao

Ny hazo fijaliany
Sy ireo fanavotany
Ho anao izay tiany
Ny helokao nongotany
Ny dinitra niraraka
Sy kapoka nanaraka
Fa Izy dia nihafy noho ianao

Aiza anefa ianao ry olona o lazao lazao
Inona no azo antenaina aminao
Moa ve ny tenanao efa Azy izao
Fotoana izao ka miova ho vao

Resy, resiny ny fahafatesana ry olona
Vita, vita izao ny famonjena anao

Julien RAMIANDRISOA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Hits : 1435
Likes : 0 Like
Created by : zeea
Date : 31/07/2018 09:14
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728