ATAOKO AHOANA (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sambatra aho manana Anao
Tompo tokana tsy mba mandao
Mitantana sy miahy ny fiainako
Ka n'aiza n'aiza no misy ahy
Eo foana Ianao momba ahy sy miahy
Mikolokolo, mitaiza ny aram-panahy

Very aho angamba raha ialaozanao
Mangina irery aho raha tsy eo Ianao
Solafaka an-dalàna aho raha tsy tantananao
Very aho angamba raha ilaozanao
Mangina irery aho raha tsy eo Ianao
Ataoko ahoana e ny miaina raha tsy misy Anao


Lalao RANDRIANARISON
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Hits : 1882
Likes : 2 Like
Created by : Zeea
Date : 31/07/2017 09:06
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.074