AMPY AHY IANAO (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ampy ahy Ianao Jesoa
Ampy ahy ny fitiavanao
Ka tsy sahiko atakalo amin'izao tontolo izao
Ampy ahy tena ampy
Ka tsy hitadiavako mpanampy
Tena ampy ahy mihitsy Ianao

Ampy ahy avokoa
Izay avy Aminao Jesoa
Izay rehetra nomenao ahy
Tsy hananko ahiahy
Raisiko am-pitokiana
Fa mitondra fifaliana
Tena ampy ahy re
'Reo fitahiam-be

Tena ampy, tena ampy
Tena ampy, tena ampy
Tena ampy ahy Jesoa
Tena ampy ny fitiavanao
Ka tsy sahiko atakalo amin'izao tontolo izao
Ampy ahy tena ampy
Ka tsy hitadiavako mpanampy
Tena ampy ahy mandrakizay

Lalao RANDRIANARISON
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Hits : 1147
Likes : 0 Like
Created by : zeea
Date : 31/07/2018 09:13
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1898