Mbola hihira (Angol'Aina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola mitsoaka eto foana
Ny rivotry ny mozika,
Ka tsy tolan’ireny fotoana
Izay niarahantsika;
Mbola miritsoka ihany
Ireo vetsom-po izay tsy tàna,
Fa mamelovelo hatrany
Tena tsy laitra, tsy laitra raràna

Ireo tononkira mifono ireo hafatra izay natolotra,
Mbola tsy maty, tsy maty eo imolotra ;
Ireo tononkalo nampahoriory, na koa nitory fitia,
Tsy hohadinoina, hotsaroana foana et?.

Fa mbola hihira aho, hihira ny fitia,
Hihira foana aho raha mbola velona et? ;
Fa mbola hihira aho, hihira hatrany hatrany,
Ho re manako hatrany am-paran’ny tany,
Satria ny hirako
ts’isy fiafaràny.

Ireo hira izay nozaraina
Sy noraketina an-tsary,
Noforonina mba hohiraina,
Hitahiry ireo fiainana omaly ;
Mbola re misy misioka,
Mitahiry sy mankaf?,
Ny fotoana no lasa niriotra,
Fa ny hira mijanona ety.

Ireo tononkira mifono ireo hafatra izay natolotra,
Mbola tsy maty, tsy maty eo imolotra ;
Nomena :
Ireo tononkalo nampahoriory, na koa nitory fitia,
Tsy hohadinoina, hotsaroana foana et?.

Fa mbola hihira aho, hihira ny fitia,
Hihira foana aho raha mbola velona et? ;
Fa mbola hihira aho, hihira hatrany hatrany,
Ho re manako hatrany am-paran’ny tany,
Satria ny hirako
ts’isy fiafaràny.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Angol'Aina
Hits : 919
Likes : 0 Like
Created by : Raiki-pitia
Date : 24/11/2018 11:00
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721