Tsapanao (Andrinirina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha vao miserana anie aho
indray takariva e
mahatsiaro sahirana aho
malahelo foana

Raha vao milentika anie
ilay masoandro
Toa manirery aho
Fa tsy anilanao

Ref:Tsapanao ny ao am-poko ao
tsapanao fa tia anao
fanantenako ho anao ry ray
anolotra azy an-tratrako indray
zay ry lala o,zay ry tiana e
ny faniriako ho anilanao


Raha vao mijery
ilay sarinao e
manembona hatrany
lasa vinany

Raha vao mahatsiaro
ny fiarahantsika e
tsy tantiko intsony
te hahita anao aho

Ref:(3)
--------
Link:
Comments
tsifamamy ( 09/08/2016 20:52)
atolotra ho an'ilay malalako izay.any fandriana any izy no mipetraka.mankafiza o!!
depaulrazanakoto2018 ( 07/11/2018 20:23)
fa ahn nu mbl ts fatatr le pihir ry naman??
mich_07 ( 19/05/2019 22:26)
Iza le mpihira azafafy?
tsirifara ( 17/12/2019 09:55)
Iza marina ny mihira an'io hira azafady?? Efa ela no nitadiavako an'io fa tsy hitako mihitsy hatramin'izao.
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Andrinirina
Hits : 5592
Likes : 2 Like
Created by : tsifamamy
Date : 09/08/2016 21:44
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0753