KA NA DIA (Aina Cook)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
’ZAY AO AN-DOHAKO AO
TOA TIAKO LAZAINA AMINAO AVOKOA HOY IANAO
NIBITSIKA TAMIKO INDRAY ANDRO IZAY
SAINGY INDRISY
FA NY TAO AM-PONAO NO NANDRASAKO
FA TSY FANTATRAO
’LAY TENY IRAY IZAY TSOTRA
TSY SAROTRA RAHA TENA MADIO FO TOKOA
NANTENAIKO
HIVOAKA TEO IMOLOTRAO ANANKIROA
TENY IRAY HOTE TIA
NO HANDRASAN’ITY FOKO ADALADALA ITY
FA TOA TSY TSAPANAO
FA TOA TSY FANTATRAO NY FISIANY
KA NA DIA TIAKO AZA IANAO
MATAHOTRA AHO
KA NA DIA MAMIKO AZA IANAO
TSY SAHY AHO
KA NA DIA TIAKO AZA IANAO
TSY HAY TSY HAY NY AO AM-PONAO
NA DIA MAMIKO AZA IANAO
MANAHY AHO
NY IRIAKO TENA TIAKO
RAHA TOA ILAY BIKA SY ENDRIKAO
ILAY FANAHY NAHABABO AHY
TSY ILAIKO INTSONY NY HAFA HANADALA AHY
SAINGY INDRISY FA NY TAO AM-PONAO
NO NANTENAIKO FA TSY VOALAZANAO
DIA ILAY FITIA
IZAY TENA FENO TS’ISY BANGA HO DORIA
HOMEKO HANJAKANAO IZAO TONTOLOKO AO
MATOKIA
KA NA DIA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Aina Cook
Hits : 3821
Likes : 0 Like
Created by : duwlicious
Date : 02/09/2007 10:51
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072