Hitia anao indray (Aina Cook)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy nampoiziko intsony ny omaly
Ny mbola hifankahita aminao
Nanary toky aho fa ela loatra izay.

Kanjo nahita anao aho omaly iny
Nidoboka izay tsy izy ny foko
Ny tànako no reko nikitika anao.

Noheveriko efa ritra ny fitiavanao ahy
Ka nahatonga anao nanalavitra ny fiainako.
Fantrao fa mbola mitempo ao anatiko ao
Ilay fitiavako tsy ritra ho anao.

Tsy haiko ny hilaza indray aminao
Ny fiainana nodiaviko
Naniry ihany aho teo aloha ny ho eo anilanao
Nakifikao nefa ankehitriny......

Sahiran-tsaina aho mantsy
Raha mbola hanavao indray
Ilay fitiavako anao tsy haiko lazaina.

Raha mba fantatrao anefa
Fa nandeha lalan-kafa aho,
Tsy afaka mizara roa ny foko.

Izy tiako tena tiako, ianao indray koa tia ahy
Vao lasa ianao, ny foko efa lasany koa.
Tsy ho lazaiko anao anefa, aoka ho anay ny anay
Aoka ho ahy mangina ny anjarako.

Tsy handatsa anao ny anaovako izao hira izao
Ny mpihaino no aoka hitsara ahy
Tsy tiako ny eritreritro hibanjina indray any aminao
Ny azoko atao, hivavaka ho anao.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Aina Cook
Hits : 7214
Likes : 0 Like
Created by : Lanah
Date : 25/11/2012 11:35
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723