Mbola tsy Miova (AFI Ambohidanerana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola tsy Miova - Afi Ambohidanerana

L : Mbola tsy miova
mbola toy ny hatrizay ilay FitiavaNy antsika
Mazava toy ny masoandro mibaliaka
Antsoina dia mamaly, mandondona vohainy
Raha misy tsy mampifaly Izy hanala ny taraina

V: Mbola tsy miova
Mbola toy ny hatrizay ilay FitiavaNy antsika
Fa maminy malalany isika
Moa tsapantsika hoe hatrizay moa izany
Tsy takatry ny saina koa ny fahalebiazany

Ref :Mbola tsy lany ny FitiavaNy antsika
Araraoty ihany dia ny mbola tsy ritra
Mbola tsy miova kanefa misy fetra
Ny fotoana omeny tsy azony andeferana ela
  Mbola miandry anao Jesosy
Aza ela moa fa aok'izay
Ireo ditra fanao hatrizay
Ampy Izay fa andao,
Tonga ny Ora mba hiovanao
---------------
L : Henoy izany feon'anjely marobe Miantsa tsy lany
Toa sambatr'ery an-danitra any
Mba tiany raha isika rehetra hiaraka ho ao
Ny lalana Efa atorony hizory andehano

V: Ny finoana avo no aoka hanananao
Ampitomboy sy koloy
Tsy hiena fa raketo ao am-ponao
Aza mihevitra ny tenanao Zavatra
Fa lehibe ianao imason'Andriamanitra

Ref :Mbola tsy lany ny FitiavaNy antsika
Araraoty ihany dia ny mbola tsy ritra
Mbola tsy miova kanefa misy fetra
Ny fotoana omeny tsy azony andeferana ela
  Mbola miandry anao Jesosy
Aza ela moa fa aok'izay
Ireo ditra fanao hatrizay
Ampy Izay fa andao Tonga ny Ora mba  hiovanao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AFI Ambohidanerana
Hits : 314
Likes : 0 Like
Created by : Ainga fitia
Date : 20/09/2023 12:49
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0756