Lo so (ADMX)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mandeha irery aho lazaina mahavita tenamiaraka @ maro tsy misy hanampy ireo rehefa mianjera
samy mahita kianina foana e na mety na tsia
ho entinao any ankavanana haratsian'ny an-kavia
raha te handroso zandry sy ry zoky e , mahaiza miavaka
tsy hoe manao kavin'ila ny olona dia tsy mivavaka
aza tsaraina ivelany aho fa tsy fantatrao ny vitako
aza haratsianao ny fisainako fa tsy fantatrao izay hitako
maro ny olana mianjady fa za tsy niangavy tsy nanao azafady fa novahako manokana
vitsy izany olona mihaino fitarainana ka aza omena tsiny aho raha lasa tia tokatokana
aleoko miresaka amiko ihany @ zay aho tena misy mihainoa
raha hiresaka @ lah kozinlah hoe misy mihaino?
teny tsy voa hevitra mandratra , mandrovitra
ny vatako tsy hoe vato be akia fa mbola hoditra
rehefa hiteny za dia aleoko mandinika
rehefa avy mandinika aho dia afaka mikozy
tsy hoe lasa ambony elah fa manambany ny madinika
samy misy tanjona io fa aza midi-kizo
raha avy any ambony izaho mitazana ny ambany
tsy adinoko ireo satria avy any no niandohako
raha hoe hanotany izaho dia izaho ihany no hamaly
malalaka ny foko raha hikozinao manako
Ny mitondra tehina mora fa mito dra tena sarotra
zava-dratsy matetika mora mahavoasarika
raha sokafana ny vilany dia hita ny ao anatiny
raha miteny ny olona iray dia hita ny ao am-pony
vetso lesy an'olo tokana bitsika an'olon-droa
fa rehefa mandamin-tsaina io dia milamina ny fo
tsy mahavoafehy faty ny ranomaso
fa rah tojo an-kaso
Lanitra jerena ho avy ny hazavana andraso
courage enao manafo o
fa rehefa lasa ny setroka mipoitra ny vain'afo o
dia zao no tadidio
tsara vita omaly mila hatsaraina anio
raha hiandry ny tsy hita aho mety hampivoaka ny tafiditra
ny teny avokako eto sady mamoka aho no mapiditra
tsy otran'ny banga mifanaikitra tsy ahitan-diha nify
na lava nify minan-taolana tafaray samy mafy
fa ianao mila miafy
tany fandalovana io tsy maintsy hilaozan'ny hafa
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : ADMXHits : 608
Likes : 1 Like
Created by : randriamanampisoat232
Date : 03/04/2022 12:55