An'iza Tsiny (ADMX)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
An'iza ny tsiny raha hoe samy diso ny andaniny miova ny anikilany mifona
mifalifaly ialahy rehefa tafita Andriamanitra adino raha tsy efa voadona
tsy misy nanary elah elah tsy misy nanery fa izy nanoro rehefa elah naniry
tena tiany ialahy lesy matoha nasiny fa mandalo sedra dia an'iza ny tsiny?
An'iza ny tsiny raha hoe samy repotra mafy @ fiainana dia samy tsy hita
hararaoty ny fisin'ny fiainana androany aza adino mitsiky raha mifankahita
fa rehefa maty ialahy tsy afaka haninona eo ny rehetra vao tian'ialahy milaza fa namana anefa nanilikima dia ialahy lazaina fa tsara fanahy
An'iza ny tsiny mijaly ny zaza ianao ity miteraka tsy manana asa
deraiko aloha ianao tsy nanala anazy
fa mba notazominao tsy ohatran'ny hafa
rehefa tsy vonona aleo tsy miditra zaza ray ohatran'ny manao trano iray
tsy anao sy rahampitso dia vita fa mandavan-taona io andraikitra every day
An'iza ny tsiny fa isika nisaraka izaho ilay nijanona sa ianao nandeha?
tiako aho raha tiavina ohatran'ny omaly tadidinao izany raha sendra mandre
fa rehefa mikipy aho mandinika antsika ilay feoaona iny tsy afaka ato an-tsofiko
mahagaga ahy fa ianao anjarako foana rehefa mipoitra anaty nofiko

Ref:

An'iza ny tsiny raha mangina aho anefa marina?
avelako miteny ianao satria mitady rariny fa saino ihany
An'iza ny tsiny? x 2

An'iza ny tsiny raha be ranomaso izy ialahy mampijaly anefa izy mandefitra
omen'ialahy tsiny izy fa be taraina anefa ialahy hita fa mandratra matetika
hany ka aleony miafina rehefa marofy fa ohatran'ny hoe izy ny mora miretika
mbola eo izy manazava anao fa @ ora tsy hampoizina izy mety ho rendrika
An'iza ny tsiny lazaiko ny marina dia samy vita sa handainga izaho dia raha tratra dia vita?
mbola tiako hitohy raha ny tantaratsika
fa ilay afonao sao efa mangatsika
raha samy mahatsapa fitiavana dia tsy maninona mbola afaka miara dia fa raha hoe fahazarana fotsiny ilay miaraka amiko dia aleo mifanadino
An'iza ny tsiny....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ADMX
Vangy : 1344
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : randriamanampisoat232
Daty : 03/04/2022 12:56
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
Hirany hafa
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013