You are here: home > Tononkira

Tondrom-peo Ny fitempon'ny foko

Lohateny : Ny fitempon'ny foko
Nampiditra tondrompeo : nantenainajojo
Daty : 09/08/2017


Eny an-dalana aho, eny an'arabe


Mihevitra sao mba hitako eny


'Lay salovany efa mahazatra ahy


'Lay nofiko ao anatin’ny alina


Namany aho nefa izaho tsy sahy





‘Lay endrik’efa haiko tsianjery


Hitako sary an-tsaina tsy haki-jery


Na mitabataba aza ny tontolo


Na takona aza aho tsy ahoako akory


Fa ny any hatrany ampiahiahy ny ambony





Dia ity fo manontany (oh, oh, oh, oh)


Injao misaina maro (oh, oh, oh, oh)


Tsy maintsy mbola ho fantany eo ihany





Ref:


Rehany manakoako any


Ny fitempon’ny foko


Amin’ny saina fotsiny izy aloha,


Ho fihiniko Rehefa eo izy,


‘zaho moa dia tony


Nefa tsy te hiala eo intsony





Vizana ihany anefa indraindray


‘Ty fo tokana mitempo ho iray


Te hamoaka izay mba faniriana


Very namana nefa no hahiany


Lavina koa mbola ho fahoriana





Dia ity fo manontany (oh, oh, oh, oh)


Injao misaina maro (oh, oh, oh, oh)


Hoe aleoko miandry hatrany


Tsy maintsy mbola ho fantany eo ihany

Tondrom-peo hafa

Hampiditra tondrom-peo hafa