You are here: home > Tononkira

Tondrom-peo Mahagaga ihany [ Fiv312em Fjkm Andranoro Filadelfia ]

Lohateny : Mahagaga ihany [ Fiv312em Fjkm Andranoro Filadelfia ]
Nampiditra tondrompeo : HpoH
Daty : 09/06/2017


Mahagaga ihany ‘zato fihetsikin-tsika eto an-tany


Fa mifanaratsy mifanakiana hatrany hatrany


Raha mba miasa dia batiana tsongoloka izany


Raha tsy mahatanty dia harary no hiafarany e!


Ref :


Tsikitsikitsikitsiky ihany eny tsiky ihany


Fiainam-pifaliana mahaliana tena tiana no vokatr’izany


Fo falifaly ravo hatrany eny ravo hatrany


Ka hisononok’ery ny fiainanay


Raha mba mihomehy, dia lazaina fa be vanivany


Ny maontina anefa dia ambara ho konjo avy hatrany


Raha misariaka dia vavàna ka tena vinany


Ny tsy miteny tena olona miavona hono izany


Aza mba kivy amin’izay fanenjehana anao


Tsy mba nisy ve ny tsiny tsy nety natao e!


Raha sendra ny kiana eritrereto sao marina izany e!


Ento amin’ny tsiky, tsiky ihany ny fiainana an-tany e!

Tondrom-peo hafa

Hampiditra tondrom-peo hafa