REHEFA ANY ('Zay)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
- Ny fiainana dia toy ny rehetra,tsy maintsy misy fetra.
Tsy afaka hijanona ety ho mandrakizay...
’zay no lahatry ny RAY!
- Ka raha ho avy ilay andro voatondro,
hialako ety an-tany.
Ka hoesorina indray tsy ho eo anilanao...
dia izao no ambarako ANAO!
" Tsy mba hanana ahiahy aho rehefa any,
tsy hanenina aho na dia kely aza,
tsy hisento koa,na hitomany,
f’efa teo anilanao tety an-tany...
Ka hiandry am-pitsikiana ’lay fotoana,
’zay natokany hiaviana...
Hanoy indray ’reo ’zay tsy vita,
’LAY FITIAVANA TSY METY HO RITRA...
Hanoy indray ’reo ’zay tsy efa,
’LAY FIARAHANA TSY HANAM-PETRA... "
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : 'ZayVangy : 22820
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 17/09/2002 12:46