TE HIASA (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Reraka ny aina, mandeha ny saina
Mivezivezy etsy sy eroa
Miova indray, mandeha tsy miantra
Ny vatsy kely mba nananana
Tsy mahatohitra ny làlana

Nankaiza ilay tadiavina
Nandositra toa tsy tazana
Ny fari-piainana tsy nananana
Toa manosy miandalana

Dia niandry lava, arahin-datsa
Mila ho foana , mba hiasa
Inona àry no andeha hatao
Ny taona koa miha-mandroso
Tsy maintsy kosa mba miroso

Voatery amin’izay
Mikaroka ny làlana
Mba hahazoana ny toerana
Toy ny olona rehetra

Sarotsarotra, toa mampatahotra
Ny miaina sombinaina ô!
Ny omaly ihany, soa ihany
Angamba  …. No tsy tanty

Voatery foana miaritra
Dia nanoro sy nampianatra
Ny adim-piainana nolalovana
Tsy azo atao maha-torovana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njila
Vangy : 3429
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : arlovah
Daty : 19/09/2006 10:21
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153