OLONA IRAY (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy misy olon’iray mety mba hiantra ahy
Izay aleha rehetra mianjonanjona avokoa
Hiazakazaka hamonjy an’iza aho?
Hivezivezy mba ho aiza moa?

Andriamanitra o! ankiniko Aminao ny fiainako
Andriamanitra o! mivavaka Aminao aho

Mbola ho avy ihany angamba ilay olona hantenaiko
Amin’izay andro izay aho dia ho miramirana
Tsy hitomany intsony aho
Fa efa eo anatrehanao

Raiso re ity foko kely mitaraina
Omeko anao ny fiainako

                                       TARIKA NJILA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njila
Vangy : 4369
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Linah D
Daty : 12/07/2003 11:56
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155