FANDIHY HAFAKELY (Mihanta)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fomba fandihy tena hafakely
Dihy malefaka fitàna
Toy ny onja tsofin-drivotra madio
Dihy mitopatopa hatrany

          Indrindra rehefa an-tratranao aho
          Izaho manaraka eny fotsiny
          Tsara ka tsy maha te-hiala intsony hoy aho
          Rehefa atositosikao

Ireo masonao raha mikipy
Dia toy ny gadona milanto
Ireo molotrao maha te-hanorokoroka
Mandimandina fitia

        Sangisangy moramora         (Mandimandina fitia)
        Adiady tsy mifandona          (Mandimandina fitia)
        Tsongotsongon'olon-tiana   (Mandimandina fitia)
        Na marary aza iafiko            (Mandimandina fitia)

Ianao ilay mandimandina fitia
Ho ento aho hisidina any 
Izaho tsy lavitra fa eto ihany
Izay ilay FANDIHY HAFAKELY...
                                      (Mandimandina fitia)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mihanta
Vangy : 413
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Fenohasina28
Daty : 08/02/2023 13:15
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165