Fanahy (Njila)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fanahy ô, midinaHenoy ‘ty feo manoina
O ! raiso am-pifaliana
‘Ty ondry izay nantsoina
E ! sedra izao fa lavo
Manenina hatrany
Tantanonao, Ray Avo
Malama anie ny tany
Ka afoiko tanteraka
‘Reo tsiniko
Mba hianarako ny fiainan-danitra
Havaoziko isan’andro anie
‘Zao teny izao
E ! sambatra aho ry Ray
Fa hiaraka aminao
Jehovah Ray Mahery
Ity ilay zaza very
Fa tonga mba hanoina
Ka miandry ampandrosoana
Ny fiainako tontolo
Ento ho Anao daholo
Hanaiky sy hanompo
Ho fanirian’ny foko
Ka afoiko tanteraka
‘Reo tsiniko
Mba hianarako ny fiainan-danitra
Havaoziko isan’andro anie
‘Zao teny izao
E ! sambatra aho ry Ray
Fa miaraka aminao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : NjilaVangy : 5027
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 24/02/2015 16:20