SOA IHANY (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Soa ihany fa teo ianao
Nanazava ny alina
Nanarona anay
Tanatin’ny haizina
             Soa ihany fa nofoananao
             Ny ririnina tety
             (’Zay namirifiry) ’Zay namirifiry
             Ka nanangoly anay
                         Ny hafanana nentinao tety
                         No fanafodinay
                         Fa raha tsy teo ianao
                         Asa angamba izay nanjo anay tety
Raha tsy teo ianao
Nibahan-toerana ny haizina
Ny hirahira nentinao tety
Nanjary ho fanefitra ho anay
(m m m m )
             Soa ihany fa lasa ianao (lasa ianao)
             Nandao fa hiverina
             (Fa maro ireo) Fa maro ireo
             Mpialona anao tety
                         Nitombo andro aman’alina
                         Ireo fahavalonao
                         Fa raha mbola teo ianao
                         Asa angamba izay nanjo anay tety
Ny fandehananao
Nankararirary ny fonay
Ny fijanonanao teto aminay
Nankasiaka ireo fahavalonao
             Soa ihany fa lasa ianao
             (Mbola hiverina)

                                       NJILA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njila
Vangy : 5319
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Linah D
Daty : 12/07/2003 11:28
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154