Hafa ihany i Mama (Bessa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andry nianteherako ny dadako
Tokim-pahanterako ny zanako
Samy tiako sy lalaiko fatratra
Ary samy iriko mba ho sambatra
Sanatria tsy hadinoko ny vadiko
Sy ireo iray tampo zoky sy zandriko
Hafa ihany i Mama
Neny, mamako

Ny iray tampo kiady
Azo iankina-doha ny vady
Loharanon- drehereha ny zanaka
Ka tsy iantsarovan-tena lanaka
Lahaolona i Dada
Nefa izao no mahagaga
Hafa ihany i mama
Neny, mamako

Tsy ho voatanisako izay antony
Tokony hoderaiko ny akantony
Fa ny ahy ny tena azoko antoka
Dia ilay fahatsiarovako azy tampoka
Fa raha sendra taitra aho ny eo am-bavako
Tsy mba ny olon-kafa fa ny mamako
Hafa ihany i mama
Neny, mamako

Ny iray tampo kiady
Azo iankina-doha ny vady
Loharanon-drehareha ny zanaka
Ka tsy iantsarovan-tena lanaka
Lahaolona  i Dada
Nefa izao no mahagaga
Hafa ihany i mama
Neny mamako
(hatramin’ny farany)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bessa
Vangy : 18341
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : Irina
Daty : 18/04/2004 03:28
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135