Manimanina (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manimanina ny tiako aho izany
lasalasa ny vinany.
Manimanina ny tiako aho izany
ka ny maso no tomany.

Dia miverinaato an-tsaiko,
azo sary miharihary,
ireo toerana nolalaiko,
nisangiana, nitosiana.

Nony tonga izao ny ora fisarahana
dia tsaroana ery ny lasa niarahana,
na ny tsiky na ny ady nifanaovana
zary ravaky ny lalana nilaozana.

’Ndreo fa hitako ny sandry nifamihina,
’njay fa reko koa ny teny nobitsihina
sy ny feonao ny mikiaka ny anarako,
nampirehitra avy hatrany ny hasambarako.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5357