Ankalazaina (tononkira ho an'i Neny) (Kelly Rajerison)

Mpihira : Kelly Rajerison
Mpamaky : 1239
Nampidirin'i : dolbia
Tamin'ny : 21/07/2008 15:26:36
ID : 5309

Imprimer Facebook Facebook
Ankalazaina ny andro anio ho an’ny fahatsiarovana anao
Loharanon’ny fiainana ianao, itarainana
Ankalazaina ao ampoko ao amin’ny fomba tsotra sy madio
Raiso re ny hira tsara indrindra atolotro anao

Fiv : Fahatsiarovana ihany izany
Tsy ho arahin’alahelo na tomany
Ankalazaiko ampoko ao
sy milamina ny fahatsiarovako anao
amin’ny andro iray toy izao, toy izao.

Fa raha ny feonao no nandrotsirotsy nahitako tory fahizay
Ny tratranao no bodofotsy niaro hafanàna ho ahy
Fa ianao no renin’ny fitiavana nandrandraiko hatramin’izay
Raiso re ny hira tsara indrindra atolotro anao.

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo