You are here: home > Tononkira

Tondrom-peo 'Lay toera-mamy

Lohateny : 'Lay toera-mamy
Nampiditra tondrompeo : hasina24
Daty : 27/04/2016


Toerana iray


Dia tsotra kely izay


Nampiray ka tsaroana indray





Fitiavana iray


Niseho tamin’izay


Mitamberina an-tsaina indray





Lasa paradisa teo


Ilay toerana kely


Niova lapa tampoka teo


‘Reo trano kely





Ref  :


Raha misaina ilay toera-mamy


Dia tsy maintsy ho manina anao ihany


Aiza intsony moa no ahitàko anao


Ny foko efa nilaozanao