Ambatofotsy gara
G An-dalana ny fiara Bmin mankany mankany C Ambatofotsy gara D no tanjona androany G Maredona milay Bmin ireo vazo sy ny hira C ary ilay sôferanay D mitira dia mitira Vetivety foana dia afaka ny lalana adino tsy tsaroana izay poritra te-hivalana zary tsy re intsony ireo antsoantso taloha ilay hoe ajanony fa ny olombelo-tsy akoho Dia tonga soa aman-tsara e endrey ny hafaliana fa Ambatofotsy gara no toerana itodiana Tsy misy andraso andraso ny fety aman-dalao fa avy dia alefaso izay tokony hatao Baolina ny ady nilamaka ny bozaka fa ry zalahy tomady no indreo manenja-kozatra F’izaho ilay osaosa sy nalemilemy ranjo ery antsisi-tosy aho no miambina ny akanjo Ireto ampela soa ery anaty rano miangavy an-tanandroa hoe avia mba hilomano F’izaho izay vato alatsaka no nanao hoe aoka aloha sadaikatra aho sadaikatra aho ny hanala pataloha Ifonako zavavy ô fa aza dia terena izaho mora manavy marary aho raha vao lena Na ny eny ambony kanja na ny eny anaty rano ekeko fa samy manja f’izaho izao mbola kamo Ireo hafa dia nanasa mba hiaraka hitelina ilay rano tsy fisasa fa rano mahadomelina Minitra vitsy monja aho dia fanina nisavily nanonja dia nanonja ilay eran’ny kapisily Nalefa ny kasety dia raikitra ny bal betsaka ny fety hoy aho fa ity vao tena lalina Ny tena môsimôsy tsy mahay mandihy ampio aho re Jesôsy ô fa tsy misy hoatr’ty Manahirana ahy ilay haka partinera aleo aho aleo angaha hanao ôperatera Avy eo aho dia hidila hijoro etsy am-pidirana hisava tapakila hitandro filaminana Ireo sasany moa dia niandahy niambavy nadeha tsiroaroa ho ery ambodi-goavy nitady toera-mangina sy tsy maro mpizaha ho solon’ny fandriana zay tsisy tety an-tsaha niakanjo ravi-tseva nisatroka mimôza de hoe adama sy eva aho e Jane sy Tarzan F’izato izaho kosa nanao hoe alaviro ny tena moa kanosa ka aleoko nitan-jiro Sahalahala ami’zay ny amin’ilay tantara any ianao ka any ô ry Ambatofotsy gara ô Zavatra ankiray no aoka dia ho tsorina inay aho mba nahay izay fanaon’ny olona
