Pas de titre disponible

Titre Pas de titre disponible
Envoyé par andoez
Le 11/07/2012 16:47
Visites : 72

ANKINIKO

tena tiako be io hira io sady tena nandona ny foko satria dia tena mitovy amiko mihintsy io tantara ao amin'io hira io.Misaotra ny tarika NY AINGA .tohizo ny zava-kanto fa manohana anareo foana izahay ary tena tafita ny hafatra eh.



Ray ô manirery anie aho miandrandra anao mangina


Mafy iny fiainam-pitiavako niainako iny


Zay nantenaiko ratra ao am-po


Dia vavaka irery tomany no anjarako





Tompo ô Adriamanitro Ianao, mafy ny efa nentiko


Andriamanitra ô ankiniko Aminao ny fiainako


Andriamanitra ô atolotro anao ny ranomasoko





Fa fitiavana iny ranomasoko iny, fitiavana ireny fahalemeko ireny


Fitiavana iny niaretako iny, iny fiafiako iny…fitiavana





Ray ô mino mafy anie aho fa tsy avelanao irery


Reo ranomaso manginako ny alin’iny


Mino aho ny ampitsoko mino aho Tompo ô


Dia mahatoky fa mba hipoitra masoandroko





Niezaka aho hitia ho tokam-po hatrany


Nefa toa very dia tsy mba nahita ny mamy


Niezaka aho nikiry nanjohy anazy hatrany


Fa ny lalako iny lasa tomany


Niezaka aho nikiry nanjohy anazy hatrany


Fa ny lalako iny lasa tomany





Fa fitiavana iny ranomasoko iny, fitiavana ireny fahalemeko ireny


Fitiavana iny niaretako iny, iny fiafiako iny…fitiavana





Tsy olona iray hahasambatra ahy no tena iriko Tompo


Fa olona iray ho tiaviko mandritra ny fiainako





Tantano ny lalako Tompo tantano ny ampitsoko


Mba nomenao ahy ty foko hanan’ny anjarany


Tantano ny lalako Tompo tantano ny ampitsoko


Ankiniko Aminao ty foko omeo izay ho anjarany


Ankiniko Aminao ty foko omeo izay ho anjarany





© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081