Tsy misy lohateny
ANKINIKO tena tiako be io hira io sady tena nandona ny foko satria dia tena mitovy amiko mihintsy io tantara ao amin'io hira io.Misaotra ny tarika NY AINGA .tohizo ny zava-kanto fa manohana anareo foana izahay ary tena tafita ny hafatra eh. Ray ô manirery anie aho miandrandra anao mangina Mafy iny fiainam-pitiavako niainako iny Zay nantenaiko ratra ao am-po Dia vavaka irery tomany no anjarako Tompo ô Adriamanitro Ianao, mafy ny efa nentiko Andriamanitra ô ankiniko Aminao ny fiainako Andriamanitra ô atolotro anao ny ranomasoko Fa fitiavana iny ranomasoko iny, fitiavana ireny fahalemeko ireny Fitiavana iny niaretako iny, iny fiafiako iny…fitiavana Ray ô mino mafy anie aho fa tsy avelanao irery Reo ranomaso manginako ny alin’iny Mino aho ny ampitsoko mino aho Tompo ô Dia mahatoky fa mba hipoitra masoandroko Niezaka aho hitia ho tokam-po hatrany Nefa toa very dia tsy mba nahita ny mamy Niezaka aho nikiry nanjohy anazy hatrany Fa ny lalako iny lasa tomany Niezaka aho nikiry nanjohy anazy hatrany Fa ny lalako iny lasa tomany Fa fitiavana iny ranomasoko iny, fitiavana ireny fahalemeko ireny Fitiavana iny niaretako iny, iny fiafiako iny…fitiavana Tsy olona iray hahasambatra ahy no tena iriko Tompo Fa olona iray ho tiaviko mandritra ny fiainako Tantano ny lalako Tompo tantano ny ampitsoko Mba nomenao ahy ty foko hanan’ny anjarany Tantano ny lalako Tompo tantano ny ampitsoko Ankiniko Aminao ty foko omeo izay ho anjarany Ankiniko Aminao ty foko omeo izay ho anjarany
