ETO AM-BARAVARANKELY
G D Emin
Eto am-baravarankely no mitazana
Amin D G
Isan’andro ity ala maitso mavana
B Emin B Emin
Ny voronkely mandalo sy miserana ihany
Amin D7 G C D
Tsy afaka hampitony ity foko tomany
G D Emin
Eto am-baravarankely aho no mitsetra
Amin D G
Mitanisa ny momba antsika rehetra
B Emin B Emin
Fitiavana toy ireny hafa rehetra ihany
C D G
Na ho ela na ho haingana hisy fiafarany.
C D B Emin
Eto aho miezaka hatrany
Amin D G Emin
Hanadino anao ihany
Amin D B Emin
Nefa tsy mety fa mampahatsiaro anao
Amin D G
Eto am-baravarankely.
Eto am-baravarankely aho no mandefa
Ny eritreritro tsy mety anefa
F’izay rehetra atao miantefa any aminao
Tsy laitra fa manjary ahatsiarovako anao.
Eto am-baravarankely aho no misaina
Ny fiarahantsika very maina
Ny orana milatsaka tsy tsaroako ny hatsiaka
Variana loatra aho noho ity tantarantsika