Ilay sarinao

Lohateny Ilay sarinao
Nampiditra Noro38
Tamin'ny 08/03/2010 23:51
Vangy : 124
Hifandao
isika fotoana maharitra,
’izaho sy ianao
hisaraka, hifanalavitra.
Ka na ho ela na ho haingana
no tsy mba hifankahitana,
ho porofo mivaingana
ho jerijereko mazana...’


Ilay sarinao
maneho ’lay endrika mamiko,
fa ny sarinao no tsy mba miala eny amiko,
rehefa tsy eo ianao
ka izaho ’lahy mitoetra irery
dia ny sarinao
no tiako hatao tsara jery.


Ary dia
ho hitako mazava tsara
fa satria
hataoko eo an-doham-parafara 
raha sendra aho ka manina, 
na ory na tojo hafaliana, 
dia tiako ho tazanina, 
fa taratr’ilay olon-tiana...


Ilay sarinao
maneho ’lay endrika mamiko,
fa ny sarinao no tsy mba miala eny amiko,
rehefa tsy eo ianao
ka izaho ’lahy mitoetra irery
dia ny sarinao
no tiako hatao tsara jery.



Henri RATSIMBAZAFY  1965





© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083