Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ilay sarinao
Hifandao isika fotoana maharitra, ’izaho sy ianao hisaraka, hifanalavitra. Ka na ho ela na ho haingana no tsy mba hifankahitana, ho porofo mivaingana ho jerijereko mazana...’ Ilay sarinao maneho ’lay endrika mamiko, fa ny sarinao no tsy mba miala eny amiko, rehefa tsy eo ianao ka izaho ’lahy mitoetra irery dia ny sarinao no tiako hatao tsara jery. Ary dia ho hitako mazava tsara fa satria hataoko eo an-doham-parafara raha sendra aho ka manina, na ory na tojo hafaliana, dia tiako ho tazanina, fa taratr’ilay olon-tiana... Ilay sarinao maneho ’lay endrika mamiko, fa ny sarinao no tsy mba miala eny amiko, rehefa tsy eo ianao ka izaho ’lahy mitoetra irery dia ny sarinao no tiako hatao tsara jery. Henri RATSIMBAZAFY 1965
