Tolory azy

Lohateny Tolory azy
Nampiditra louvalove
Tamin'ny 23/02/2010 08:03
Vangy : 84

Fantany fa mbola kely loatra izy
Fantany fa mety tsy ho tianao
Nefa ny fony efa babonao
Ny rehetra anefa miankina aminao 

Hery niainga avy ao anatiny
Hery tsy hainy notohaina
Nefa efa mba nosaintsaininy
Efa mba nohalalininy
Efa tiany ianao, tiany efa hatry ny ela 

Tolory azy izay tena ao anatinao
Tsory aminy fa tia azy koa ianao
Esory koa ireo tahotra namefy anao
Fitiavana madio no atolory azy
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0479