TSY MENDRIKA

Lohateny TSY MENDRIKA
Nampiditra ramelina
Tamin'ny 06/11/2007 10:08
Vangy : 365


Jeso tsy mendrika aho

hiantso ny anaranao

fa diso aho , nanohitra 

ny sitra-ponao ry Jeso



Nefa ny Tompo niteny tamiko fa

tsy ho avy hiantso nymarina

fa ny mpanota izay mibebaka

no voavotra



Ianao mafy fo tsy mety mino ny Ray 

mba miova re fa ampy izay

fa Jeso Tompo mitady izay misy anao

na dia mpanota aza ianao



Menatra aho ry Jeso

noho ny toetra natao

tsy mendrika aho

ny ho zanakao 

ninia nandositra anao

 
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084