AFAKA NY GADRAKO

Lohateny AFAKA NY GADRAKO
Nampiditra milay3
Tamin'ny 02/11/2007 08:14
Vangy : 350


Afaka ny gadrako

maivana ny ziogako

lasa ny haizina fa tonga ny mazava

dia ilay Jesosy tia

teraka hamonjy ahy ety



Efa nosoloiny izao

Ity lamba rovitra

fitafiana vao nomeny mba ho ahy izao

Ho mendrika satria ny fanjakany ho doria



Menatra aho, menatra aho

Ry Tompo ô!

Noho ny ratsy zay efa vitako

Tsy mendrika aho nefa avelao raha sitrakao

mba hitoetra eo an-tongotrao



Tompo ô!

tsy nety Ianao

fa noraisinao ny tànako

nofafànao koa ny ranomasoko 

ka toa sambatra ery 'ty fo

Tompo ô!

tsy nety Ianao

fa noraisinao ny tànako

nofafànao koa ny ranomasoko

Afaka tokoa ny Gadrako.

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086