AFAKA NY GADRAKO
Afaka ny gadrako maivana ny ziogako lasa ny haizina fa tonga ny mazava dia ilay Jesosy tia teraka hamonjy ahy ety Efa nosoloiny izao Ity lamba rovitra fitafiana vao nomeny mba ho ahy izao Ho mendrika satria ny fanjakany ho doria Menatra aho, menatra aho Ry Tompo ô! Noho ny ratsy zay efa vitako Tsy mendrika aho nefa avelao raha sitrakao mba hitoetra eo an-tongotrao Tompo ô! tsy nety Ianao fa noraisinao ny tànako nofafànao koa ny ranomasoko ka toa sambatra ery 'ty fo Tompo ô! tsy nety Ianao fa noraisinao ny tànako nofafànao koa ny ranomasoko Afaka tokoa ny Gadrako.
