Fo vaovao

Lohateny Fo vaovao
Nampiditra deghany
Tamin'ny 19/01/2007 21:33
Vangy : 535

Dm                        Am
Tsy mety mionona intsony 'lay fitia
C                Am
Tsy mety fa mitroatra
Bb           Gm          A7
Tsy mety mitony f'efa babonao
Dm           Am
'Zay rehetra atao tsy very dia aho
C               Am
F'ianao tiako loatra
Bb               Gm            A7
Ny eritreritro rehetra manaraka anao



'Reo teny mafy fanaoko toa nandratra

Nihafinao hatrizay

Ny fihetsiko toa tsy nitory fitia

Bedibedy koa haiko fa tsy zaka

Dia raozy ankiray 

Noheveriko fa ampy hampionona an-dry


Dm                   Bb
Sokafy ny fonao mba hidirako
   F                       C
F'ianao irery ihany no afaka halala
Dm                    Bb
Marary anatiko ao ka mila tsy tantiko
   F                 C           C7
Fantatrao ihany izay tia adala


F    C            Dm
Tia ka mahafoy anao aho
   Bb                Gm
'Zay rehetra nankarary anao
  A7                 Dm
Nefa niniako foana mbola natao
Bb            C               Dm
Hadinoy fa ny foko dia hiova vaovao



Ato anatiko mahamay tsy tanty

'Lay fitia ho anao

Tsy hay tohaina, tsy hay atao

Fa ny fo babo loatra tsy mahatanty

Tsy mahay hatrizao

Atao ahoana no tianao hitiavako anao





© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088