Fantatro

Lohateny Fantatro
Nampiditra zoely
Tamin'ny 11/12/2005 09:36
Vangy : 559


Fantatro fa ao aminao no misy 

Fitiavana ambony indrindra amin' ny fitiavana 

Tsapako fa raha tsy miankina aminao

Dia ho very aho, ka tsy handova ny fiainana mandrakizay

sy tsy ho isan' ny olonao

Tsy ho zanakao 



Ref : Tsy hisy hasakana ahy hitory

      Ny fitiavanao

      Ny fiainako rehetra foiko 

      Hanarahako anao 



Fantatro fa ao aminao no misy 

fiainana soa ombam- pahasambarana

Tsapako fa raha fa raha tsy ireo no ato amiko, 

dia ho very aho, 

ka tsy handova ny fiainana mandrakizay

Sy tsy ho isan' ny olonao, 

Tsy ho zanakao 



Fantatro fa ao aminao no misy

Fahasoavana feno hanampy fahasoavana

Tsapako fa raha tsy ireo no omenao ahy,

Dia ho very aho, 

Ka tsy handova ny fiainana mandrakizay

Sy tsy ho isan' ny olonao,

Tsy ho zanakao 
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0516