Ampidiro aloha ny tenimiafina
Hay ve
Hay ve ka nisy raozy nokoloinao naniry tamiko ? fa(9) faM7 sibM7 faM7 sib7 Fa ny foko no nandà tsy hamokatra intsony fa(9) faM7 Nefa tsy kivy ianao Hay koa ve nisy, finiavana hikarakara taminao? Fa ny saiko no ninia tsy ahafantatra ireny Fony naha-teo ianao Fa lasa ianao vao tsapako Nony indro ianao tsy tazako Injay nilentika lalina am-poko ao Lalimpaka 'lay raozinao Fa teo ianao tsy hitako Niteny ianao tsy reko koa.. Taitra ianao, Ninia natory irery aho Taitra avy eo aho nilaozanao Raha mbola misy'zay voatahiry tamiko ao anatinao Ento ho ahy, fa hokoloiko ireo Hiroborobo toa izay nataonao ahy. Raha mbola ao kao' lay diakan-teny hoe TIA Ambetin-dresakao Ento aty fa f'izay vao fantatro ny tena heviny Nolazainao taloha Fa dindo tsy hay kosehina Am-poko ialy fitiavanao Ka ny hany faniriako dia izao: "Mandrakizay ho ahy ianao": ( Rija Ramanantoanina & Michaela)
