Mbola ekeko
Lohateny
Mbola ekeko
Nampiditra FEFIA1
Tamin'ny 4 ora lasa
Vangy : 20
1-Mbola ekeko Tompo no hirakao
Mbola ekeko hanao asanao
Mbola ekeko hataoko amin'ny fo
Tena ataoko antsitra-po Ray
Fa ny hangatahiko aminao
Homeo ahy ilay Fanahy Masinao
Hoentiko miady ary hampahery
Ireo reraka am-panahy
Réf: Z'inona moa zahay ry Tompo o
No mba finidinao hitory Anao
Fa ilay adalan'izao tontolo izao
No nofidinao hanao ny asanao
2-Tsy hataoko ho fahazarana
ny fahanompoko Anao ry Ray
Na koa hialangalana
fa ekeko tsotra izao
Tsy filan-javatra tokoa
na firerehana ihany koa
Fa tena vokatry ny fo sy Fanahy
Réf: :;:Z'inona moa zahay ry Tompo o
No mba finidinao hitory Anao
Fa ilay adalan'izao tontolo izao
No nofidinao hanao ny asanao :;:
F'ilay adalan'izao tontolo izao
No nofidinao hanao ny asanao