Havaoziko

Lohateny Havaoziko
Nampiditra FEFIA1
Tamin'ny 5 ora lasa
Vangy : 15
 Do dia Re  

 1- Indro Havaoziko eto anio

Ilay voadiko hatramin'izay

Hanompo Anao

Eny mandrampihalan'ny aiko aho dia hanompo Anao

Hitory ny fitiavanao 

Mandrapihavinao eny amin'ny rahon'ny lanitra

Hovona aho hanao izay rehetra sitrakao

Amin'ny heriko sy fitiavako



Réf : N'aiza n'aiza Tompo ô,

No hanirahinao Ahy 

Dia tsy hiemotra aho satria

Fitiavana ho ahy Ianao

Aoka Ianao tsy hahafoy ahy,

Aoka Ianao tsy hahasaraka ahy

Fa ny eo anilanao dia fiadanana



2- Indro ny tenako hatolotro ho Anao

Ny fiainako Hanjakao

Ny fahotako rehetra fafao hadio mba ho mendrika Anao 

Hitory ny fitiavanao 

Mandrapihavinao eny amin'ny rahon'ny lanitra

Hovona aho hanao izay rehetra sitrakao

Amin'ny heriko sy fitiavako



Réf : N'aiza n'aiza Tompo ô,

No hanirahinao Ahy 

Dia tsy hiemotra aho satria

Fitiavana ho ahy Ianao

Aoka Ianao tsy hahafoy ahy,

Aoka Ianao tsy hahasaraka ahy

Fa ny eo anilanao dia fiadanana



Tia anao Jesosy, 

"Miorena tsara, Aza miova..."  
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0065