AZO ANTOKA (NY FEON'NY MPANDRESY TAMATAVE)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I- ATOLOTRO ANAO, IZAO HIRAKO IZAO,
HO ANAO IZAY MIHAINO AHY
JESO TIA ANAO, TENA TIA ANAO,
ANIO, AMPITSO, MANDRAKIZAY

AOKA IANAO HIFALY, AOKA IANAO HANKAMAMY
AMIN’IZAY REHETRA MISEHO
AOKA IANAO HIFALY, AOKA IANAO HANKAMAMY
FA IZAY ATAONY ANAO DIA MBA HEKEO

  
Ref :  TSY HITONDRA LOZA, FA FIADANANA
IZY MANANA HEVITRA HIHEVERANA ANAO
AZO ANTOKA


II- IZAY KASAINAO, IZAY TAPAHINAO
TAPAHO AO AN-DANITRA AO
IZAY ALEHANAO, RAHA MBOLA ETO AN-TANY
IZY MIALOHA LALANA ANAO

AOKA IANAO HIFALY, AOKA IANAO HANKAMAMY
AMIN’IZAY REHETRA MISEHO
AOKA IANAO HIFALY, AOKA IANAO HANKAMAMY
FA IZAY ATAONY ANAO DIA MBA HEKEO
FA MAHASOA ANAO

SAROTRA NY ADINAO, NA ARA-NOFO NA ARA-PANAHY
MAHEREZA FA IZY MANANA LALANA, HITONDRANA ANAO
EKENA FA TSY TOKONY HO TOY IZAO
NY FIAINANAO SY NY MOMBANAO
FA IZY MAMPANANTENA, IZY MAMPANANTENA, IZY


Ref :  TSY HITONDRA LOZA, FA FIADANANA
IZY MANANA HEVITRA HIHEVERANA ANAO
AZO ANTOKA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY FEON'NY MPANDRESY TAMATAVE
Vangy : 1085
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : 5867
Daty : 21/04/2020 21:20
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735