Hiangavy farany (Njakatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mandà be ny saiko
Tsy tony ny foko
Tsy tsapako akory
ity maso tsy mahita tory
Fa ianao foana no sary mameno, mibahana ao an-doha
Aza ilaozana izany ho’aho ’zaho fa tena voa,
voa tokoa

Dia ataoko ahoana
ny halahelo foana ?
Ny saiko tsy mino
hoe ny tenako hahavita hanadino.
Mora aminao tokoa ny milaza hoe "’ndao hisaraka"
Aza ilaozana izany ho’aho izaho fa
tia anao fatratra.      
            
            Izao ihany aho dia hitady anao
            Hiangavy farany
            Izao ihany aho dia ho any aminao
            Mba hitalaho, hiala nenina...
            Na hilela-paladia.

Ireo efa vita
dia odianao tsy hita
Ny aok’izay foana no asesikao fa dia nahoana ?
Tsy fantatrao fa io dia tantara tsy ho faty rahatr’izay !
Aza ilaozana izany ho’aho izaho fa
ratra mahamay
            
            Izao ihany aho dia hitady anao
            Hiangavy farany
            Izao ihany aho dia ho any aminao
            Mba hitalaho, hiala nenina...
            Na hilela-paladia.
            Hiangavy farany !
--------
Rohy:
Hevitra
sitrakarakotoarisoa7 ( 09/04/2018 18:55)
afahafa be lay tononkira aty @ fiverenany. sa zao maro be zao mitsy no tena izy?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njakatiana
Vangy : 25922
Mpankafy : 5 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 21/10/2001 15:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.033