Vazomiray Ambatomanjaka
Sary rehetra...
Nampiditra Filykely 2 ora lasa
Hiran'i Vazomiray Ambatomanjaka 1 Jereo eto
Vangy : 9
Mpankafy : 1 Ankafizo
Mombamomba azy
VAZOMIRAY AMBATOMANJAKA: Ny Tantaran'ny Tarika.Tao Ambatomanjaka, distrikan’i Miarinarivo, no niforona ny antoko mpihira Vazomiray Ambatomanjaka tamin’ny taona 2020. Mpianatra sy mpampianatra teo anivon’ny Lycée Anosibe Ifanja sy Lycée Ambatomanjaka no niara-nanangana azy, tamin’ny alalan’ny fitaoman’ny mpampianatra taranja malagasy iray. Izy io dia tsy iza fa Andriamatoa RABENJARIMANANA Fidelis, izay mpanoratra tononkalo sy tantara foronina ihany koa, ary fantatra amin’ny solon’anarana hoe "BFM" na "Benja Fy Miaina".
Nanomboka tamin’ny famoronana hira sy fandraisam-peo tany amin’ny trano fandraisam-peo (studios) ny tarika tany am-piandohana. Noho ny fahaizan’ireo tanora amin’ny fihirana sy ny dihy, dia nivoatra tamin’ny fanaovana horonantsary (sary mihetsika) izy ireo tamin’ny taona 2023. Na dia efa heno matetika amin’ny onjam-peo aza ny sanganasan’izy ireo, dia mbola eo am-pikatsahana ny hivoaka hiseho amin’ny nosy manontolo ny tarika ankehitriny. Na izany aza, efa tena maro ny mpankafy azy ireo eo anivon’ny fiarahamonina manodidina noho ny kalitaon'ireo vokatra efa nivoaka.
?
Mivelatra amin’ny lohahevitra maro ny vazo avoakan’ny tarika, toy ny momba ny vavaka, ny fitiavana, ary ny fiainana andavanandro. Tsy mifidy gadona ny Vazomiray fa mivelatra amin’ny rehetra, saingy ny slow, ny reggae ary ny dihy gasy no tena mibahan-toerana. Anisan’ireo hira efa nampihetsi-po ny maro ny lohateny toy ny: "Vavaka", "Izay tia mahandry", "Veloma", ary ny "Corona Virus".
?
Efa matetika ny tarika no manao fampisehoana, na eny anivon’ny fokotany, na any am-piangonana, ary na dia amin’ny fetin’ny olon-tsotra aza. Amin’izao fotoana izao, efa tsy voafetra ho an’ny mpianatry ny sekoly niaviany intsony ny fikambanana fa nivelatra ho an’ny fiarahamonina manontolo. Noho izany, ahitana sokajin’olona maro manana talenta ao anatiny: manomboka amin’ny mpianatra eny amin’ny sekoly ambaratonga fototra, ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony (Université), hatramin’ny olon-tsotra eo anivon’ny fiarahamonina.
Hevitra momba an'i Vazomiray Ambatomanjaka
Mbola tsisy nametraka hevitra
